Raolona
Zoma 03 Septambra 2010

Noho ny fihavanana dia amin'alahelo lehibe no ampandrenesanay fa ny namana Raolona, Tarika MAHALEO,  (Raosolosolofo Razafindranoa), rehefa avy nahefa be, nizara zava-tsoa aman-tantely nandritry ny fiainany teto an-tany fandalovana, dia lasa namela mamy hiampita hamonjy ny Razany ny Zoma alin'ny 3 septambra teo.

Famangiana faoriana
  3-4-5 septambra 2010 @  Antanambao 5    ary @ foyer du Port  ( Tamatave )
Palais des sports @  Antananarivo, talata 6 - .
alarobia 7 @ Antsirabe
alakamisy 8/9 : sy Ambositra
.zoma 10/3/2010 @ Vinany, Ambatofinandrahana


"Misy ilay antsoina hoe tanindrazana izany hoe ny tany dia an'ny Razana.

Io tanindrazana io,  io tany io dia mamelona.

Kanefa dia zary hadinodino  izay heviny izay.

Ny hevitra fonosin'ny teny tanindrazana.                      

Lova navelan'ny Razana  ho antsika ny tany, mba hovolentsika.

Izay olona miasa io tany io  dia hovelominy.

Tokony hiverenana io fifamelomana io : olombelona-tany, olombelona-tany."

Raolona (filma Mahaleo)

 

«Raha noana ny kibo re»

«mivezivezy ny fanahy»

«Na ireo razana efa lasana aza»              

«tsy mety mitahy»                     

«Koa aza mba kanosa re»                 

«sy be ahiahy»                     

«Fa sao dia voasongona»                     

«fa be ireo fetsilahy»                  

«Ialao ny hakamoana»                       

«mitondra mosary»                    

«Ireo razana manohana»            

«raha hamboly vary»             

«Fa ny fambolena ihany»           

«no harena eto an-tany»            

«fa izay manao izany»            

«hisongadina avy hatrany»                       

«Fa efa mihasarotra»            

«ity fiainana ity»                 

«Fa misy te hivarotra»                

«ity tanintsika ity»                 

«tsy fantatra intsony aiza ny marina?»            (...)

 

Raoul / Raolona (Mahaleo)


filtre
newsletter
misorata anarana raha te handray ny gazetinay amin'ny mailaka:

ilaina
Imprimeo ny Bon de Commande, alefaso miaraka amin ny ravin-tseky (cheque) amin’ny paositra.
jereo >>

Raha te hanoratra na hiantso, na te handalo. Ny toerana misy anay ?
jereo >>

Filma vitan\' Laterit Productions
jereo >>

© Laterit productions